NY KOMITY


TOKO VOALOHANY : NY FITSINJARANA ANDRAIKITRA AO AMIN’NY KOMITY


I. Ny Komity
Andininy 19.– Ny Komity dia havaozina isaky ny roa taona, amin’ny Alahady voalohan’ny volana Desambra, amin’ny alàlan’ny fanasàna izay terem-panahy handroso eny amin’ny Alitara.
Ny Filohan’ny Sampana ao amin’ny Fiangonana dia mpikambana avy hatrany ao amin’ny Komity. Raha misy ny fiovan’ny Filohan’ny Sampana mandritry ny roa taona iasan’ny Komity dia afaka mijanona ho Komity ihany ny Filoha teo aloha.
Ny Filohan’ny Sampana dia tsy afaka fidina ho Filoha, Filoha lefitra, Mpitambola na Mpitan-tsoratra. Ny mpitambola na mpitan-tsoratra voafidy ho filohan’ny sampana tamin’ny fanavaozana ny biraon’ilay sampana dia afaka misafidy raha hanoy na tsia ny maha-mpitambola na mpitan-tsoaratra azy. Raha tsia dia mila mifidy mpitambola na mpitan-tsoratra vaovao ny komity.
Andininy 20.– Araky ny Fototra iorenan’ny Fiangonana (Statut) dia anjaran’ny Komity ny mifidy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hitondra ny raharaham-piangonana, izay mizara ho Filoha, Filoha lefitra, Mpitan-tsoratra, Mpitam-bola ary ny Vaomiera misahana ny asa samihafa iandraiketan’ny Fiangonana.
Pejy 5 @ 9
Andininy 21.– Amin’ny alàlan’ny vato miafina no ifidianana ny Filoha, ny Filoha lefitra, ny Mpitan-tsoratra ary ny Mpitam-bola. Izay mahazo vato be indrindra mihoatra ny antsasa-manila, izany hoe ny antsasaky ny mpifidy miampy vato iray (50% + vato iray), no lany avy hatrany. Raha tsy tratra izany dia misy fihodinana faharoa ifidianana ny iray amin’ireo olona roa nahazo vato be indrindra.
Ny Vaomiera dia tendrena mivantana araky ny fandava-tenan’ny tsirairay ao amin’ny Komity. Ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera no mifandamina rehefa avy eo ny amin’ny fomba fiaraha-miasa tiany harahina.