II. Ny Filoha
Andininy 22.– Ny Filoha no mampiantso ny fivorian’ny Komity sy manolotra ny “ordre du jour”, mitarika ny fivorian’ny Komity, manatanteraka ny famangian’ny Fiangonana miaraka amin’ny Komity, misolo tena ny Fiangonana amin’ny fifandraisana
III. Ny Filoha lefitra
Andininy 23.– Ny Filoha lefitra dia misolo ny Filoha raha misy ny tsy maha-eo azy, ary miandraikitra ny fanetsiketsehana ny mpiara-miangona amin’ny faritra misy azy.
Ny Filoha lefitra no mitarika ny Vaomiera Sosialy.
Andininy 24.– Tokony ho tanàna samihafa no misy ny Filoha sy ny Filoha lefitra mba hanamafisana ny fanentanana ny mpiara-miangona amin’ny faritra misy azy ireo.
Araky ny fiaraha-monina hatrizay dia toy izao ny fitsinjaran’ny faritra: faritra Genève sy ny manodidina, faritra Lausanne sy ny manodidina, ary faritra BENEFRI (Berne, Neuchâtel, Fribourg).
IV. Ny Mpitam-bola
Andininy 25.– Ny Mpitam-bola no miandraikitra ny fitantazana ny rakitra, manisa sy mampita izany amin’ny mpilaza ny raharaham-piangonana, mitazona ny compte rehetran’ny Fiangonana sy mitantana izany araky ny voalaza etsy ambony (andininy 14-18).
V. Ny Mpitan-tsoratra
Andininy 26.– Ireto avy ny andraikitry ny Mpitan-tsoratra:
a. mandray an-tsoratra ny fivoriana ary mitahiry izany ho an’ny FKMSM sy ireo Komity tsy tonga nivory ka te-hahafantatra ny antsipirian’ny fivoriana tsy natrehiny. Ny tatitry ny fivoriana dia tsy voatery hilaza ny antsipirian’ny ady hevitra fa milaza fotsiny ny hevitra lehibe tapaka;
b. mitahiry ny taratasim-piangonana rehetra sy ny adiresin’ny mpiangona ; manangona ny lisitry ny mpiray tanindrazana vao tonga tokony ho vangiana, ka miantso ny Komity izay afaka hanatanteraka izany arakaraky ny toerana misy ny ho vangiana;
d. miandraikitra ny fifandraisana amin’ny mpiangona sy ny Fiangonana na fikambanana hafa, miaraka amin’ny Filoha, toy ny fampandrenesana rehefa fotoan-dehibe, fandefasana taratasy fisaorana ho an’ireo Fiangonana nanome trano (isaky ny voalohan’ny taona), fifandraisana amin’ireo olona miara-miasa any Madagasikara mikasika ny “Projets” notohanana, ary famaliana ny fampandrenesana
Commentaires récents