NY VAOMIERAN’NY TETIK’ASA (COMMISSION DES PROJETS)

I. Mpikambana
Andininy 40.– Ny ao amin’ny Komity ihany no afaka ho mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Tetik’asa.
II. Andraikitra
Andininy 41.– Ireto avy ny andraikitry ny Vaomieran’ny Tetik’asa:
a. mandinika ny volavolan’asa voaray avy any Madagasikara raha mifanaraka amin’ny foto-kevitra sy fepetra iorenan’ny fandraisan’anjaran’ny FKMSM amin’ny tetik’asa. Ny Komity no manapaka ny tetik’asa hotohanana araky ny soso-kevitra atolotry ny Vaomiera;
b. manara-maso ny tetik’asa notohanana ary manao tatitra momba izany amin’ny Komity mandritry ny fivoriana fanapahan-kevitra ny amin’ny tetik’asa manaraka hotohanana;
d. manara-maso ny fanatanterahan’ny tetik’asa eto an-toerana izay notapahin’ny Komity ho fampandrosoana ny FKMSM.
III. Fepetra mifehy ny fanohanana ny tetik’asa avy any Madagasikara
Andininy 42.– Ny tetik’asa mifanaraka amin’ny voatanisa manaraka ireto ihany no hotohana’ny FKMSM:
a. tetik’asa tsy manavaka finoana, foko, fihaviana na firehana politika,
b. tetik’asa manampy ny sahirana sy manatsaratsara ny fiainana an-davanandron’ireo latsaka an-katerena;
c. tetik’asa mitondra soa ho an’ny maro ary tsy voafetra ho amin’ny antokon’olona vitsivitsy;
d. tetik’asa ahafahana mahita miavaka ny fandraisan’anjaran’ny FKMSM, araky ny “devis détaillé” izay tsy maintsy alefan’ny mpangataka fanampiana;
e. tetik’asa mifanaraka amin’ny ho enti-manana ao amin’ny FKMSM. Amin’ny fanapahana ny tetik’asa hotohanana dia ny tetik’asa madinika (micro-projets) no omena toerana bebe kokoa noho ny tetik’asa goavana (projets pharaoniques de centaine de millions Ariary).

Membres taona 2019 :

Tiana Samy Ninie Arnaud Toky Jemima

Taona 2018 :